17 Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin'ny andro rehetra, Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin'ny fahoriana.
18 Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan'ny sakaizany.
19 Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana.
20 Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin'ny loza.
21 Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny rain'ny adala tsy ho faly.
22 Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.
23 Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny.