7 Ny vavan'ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.
8 Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
9 Ary izay malaina amin'ny asany Dia rahalahin'ny mpanimba.
10 Ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.
11 Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany.
12 Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
13 Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany.