1 Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko,
2 Ka atongilanao amin'ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao;
3 Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina,
4 Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina:
5 Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra.
6 Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
7 Izy mitahiry fanambinana ho an'ny mahitsy Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny;