8 Ka dia mitandrina ny lalan'ny fahamarinana Izy Ary miambina ny lalan'ny olony masina.
9 Ary amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.
10 Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, Ary mamin'ny fanahinao ny fahalalana,
11 Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana,
12 Ka hamonjy anao amin'ny lalan-dratsy Sy amin'ny lehilahy izay miteny fitaka,
13 Izay mahafoy ny lalan'ny fahamarinana Mba hizorany amin'ny lalan'ny fahamaizinana,
14 Dia izay faly hanao ratsy Sy finaritra amin'ny fitaky ny ratsy,