1 Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon'izany dia tsy hendry.
2 Ny fampitahoran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin'ny ainy,
3 Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka.
4 Ny malaina tsy mety miasa amin'ny ririnina, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo.