10 Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.
11 Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan'ny mpanjaka izy.
12 Ny mason'i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin'ny mpivadika dia foanany.
13 Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin'ny sasany any an-dalambe aho.
14 Ny vavan'ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon'i Jehovah no ho latsaka ao.
15 Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
16 Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an'ny manana kosa dia mampihena ny hareny.