14 Ny vavan'ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon'i Jehovah no ho latsaka ao.
15 Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
16 Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an'ny manana kosa dia mampihena ny hareny.
17 Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin'ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;
18 Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin'ny molotrao.
19 Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin'i Jehovah.
20 Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana,