10 Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin'ny sahan'ny kamboty;
11 Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin'ny adiny aminao.
12 Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.
13 Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza;
14 Raha mamely azy amin'ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny.
15 Anaka, raha hendry ny fonao,Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;
16 Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao.