26 Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako;
27 Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ;
28 Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.
29 An'iza ny Indrisy? An'iza ny Endrey? An'iza ny fifandirana? An'iza ny fitolokoana? An'iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An'iza ny maso mivoara-mena?
30 An'izay mikikitra amin'ny divay, Eny, an'izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.
31 Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra;
32 Fa amin'ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.