19 Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy;
20 Fa tsy hisy fanantenana ho an'ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy.
21 Anaka, matahora an'i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin'izay miovaova;
22 Fa ho tampoka no hitrangan'izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin'ny androny?
23 Izao koa no tenin'ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana.
24 Izay manao amin'ny meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin'ny olona sady ho halan'ny firenena;
25 Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara.