21 Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;
22 Fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao.
23 Ny rivotra avy any avaratra mahatonga ranonorana, Dia toy izany, ny lelan'ny mpifosa mampahavinitra endrika.
24 Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampontrano Toy izay miray trano amin'ny vehivavy tia ady.
25 Rano mangatsiaka amin'ny fanahy reraka Ny filazana soa avy any an-tany lavitra.
26 Loharano voahosihosy sy fantsakana simba Ny marina izay mikoy ny ratsy fanahy,
27 Tsy tsara raha mahery homana tantely; Fa ny fitadiavan'ny olona ny voninahiny dia tsy voninahitra.