5 Esory ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan'ny mpanjaka, Dia hampitoerina amin'ny fahamarinana ny seza fiandrianany.
6 Aza manandra-tena eo anatrehan'ny mpanjaka, Ary aza mitoetra eo amin'ny fitoeran'ny lehibe;
7 Fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara atỳ, Toy izay hatambotsotra eo imason'ny manan-kaja izay hitan'ny masonao.
8 Aza maika handeha hiady, Fandrao tsy ho fantatrao izay hataonao amin'ny farany, Rehefa omen'ny namanao henatra ianao.
9 Miadia ihany ny adinao amin'ny namanao, Kanefa aza aseho izay tsy tian'ny sasany holazaina,
10 Fandrao izay mandre hanondro maso anao, Ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy.
11 Ny teny atao amin'ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra.