23 Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
24 Izay miray tetika amin'ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.
25 Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an'i Jehovah no hovonjena.
26 Maro no mila sitraka amin'ny mpanapaka; Fa avy amin'i Jehovah ny fitsarana ny olona.
27 Ny meloka dia fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason'ny ratsy fanahy kosa.