25 Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, Nefa manangona ny haniny amin'ny fahavaratra izy;
26 Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin'ny harambato izy;
27 Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara;
28 Ny antsiantsy dia mandady amin'ny tànany, Nefa tonga ao an-tranon'ny mpanjaka izy.
29 Misy zavatra telo izay tsara famindra, Eny, efatra aza no tsara fandeha;
30 Dia ny liona, izay mahery indrindra amin'ny biby Ka tsy mihemotra na amin'inona na amin'inona,
31 Ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy Ary ny mpanjaka tsy azo toherina.