23 Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin'ny loholona.
24 Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin'ny mpandranto.
25 Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany.
26 Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy; Ary ny lalàn'ny famindram-po no eo amin'ny lelany.
27 Mitandrina tsara ny ataon'ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon'ny fahalainana.
28 Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:
29 Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra.