17 Fa mihinana ny mofon'ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain'ny fahalozàna.
18 Fa ny lalan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro.
19 Ny alehan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
20 Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
21 Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.
22 Fa aina ho an'ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an'ny nofony rehetra.
23 Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina.