1 Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary nandray tanana hiantoka ny hafa,
2 Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,
3 Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan'ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin'ny namanao.
4 Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao.
5 Afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin'izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin'ny tanan'ny mpamandrika.
6 Mandehana any amin'ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre;
7 Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka,