29 Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany,
30 Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;
31 Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona.
32 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
33 Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.
34 Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako.
35 Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah;