Zakaria 12:4-10 MG1865

4 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hamely ny soavaly amin'ny fahaverezan-kevitra Aho, ary ny mpitaingina azy amin'ny fahadalana, hampihiratra ny masoko amin'ny taranak'i Joda Aho ary hamely ny soavaly rehetra izay an'ny firenena amin'ny fahajambana.

5 Ary ireo lohany amin'ny firenen'i Joda dia hanao anakampo hoe: Ny mponina any Jerosalema dia heriko ao amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamaniny.

6 Amin'izany andro izany ireo lohany amin'ny firenen'i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny amin'ny hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra eny amin'ny amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin'ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary Jerosalema dia mbola hiorina amin'ny fitoerany ihany, dia any Jerosalema.

7 Ary hovonjen'i Jehovah aloha ny lain'ny Joda, mba tsy hisandratra ambonin'ny Joda intsony ny voninahitry ny taranak'i Davida sy ny voninahitry ny mponina any Jerosalema.

8 Amin'izany andro izany dia harovan'i Jehovah ny mponina any Jerosalema; ary izay mila ho reraka ao aminy aza amin'izany andro izany dia ho tahaka an'i Davida; ary ny taranak'i Davida ho tahaka an'Andriamanitra, dia tahaka Ilay Anjelin'i Jehovah eo anoloany.

9 Amin'izany andro izany dia hitady handringana ny jentilisa rehetra izay avy hamely an'i Jerosalema Aho.

10 Ary haidiko amin'ny taranak'i Davida sy amin'ny mponina any Jerosalema ny fanahin'ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Izay nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan'ny olona ny lahimatoany.