3 Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan'Ilay Anjely.
4 Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin'izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.
5 Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia nitsangana teo.
6 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nilaza marimarina tamin'i Josoa hoe:
7 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Raha mizotra amin'ny lalako ianao sy mitandrina ny didiko, dia ianao no hitsara ny amin'ny tranoko sy hitandrina ny kianjako, sady homeko lalana ho amin'ireo mitsangana ireo ianao.
8 Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao; fa olona atao fahagagana ireo; fa, indro, ho entiko Rantsana Mpanompoko.
9 Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan'i Josoa, ny vato iray dia banjinin'ny maso fito; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon'ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok'ity tany ity.