6 Io misy ny soavaly mainty dia mivoaka mankamin'ny tany avaratra; ary ny fotsy nivoaka nanaraka azy; ary ny sada nivoaka nankamin'ny tany atsimo.
7 Ary ny mena dia nivoaka ka nitady handeha hivoivoy eny amin'ny tany; dia hoy izy: Mandehana ianareo, mivoivoiza eny amin'ny tany. Ka dia nandeha nivoivoy teny amin'ny tany izy.
8 Dia nitaraina mafy tamiko izy ka niteny tamiko hoe: Indro, ireo izay mivoaka mankamin'ny tany avaratra dia nampionona ny fanahiko tany amin'ny tany avaratra.
9 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
10 Mandraisa avy amin'ny babo, dia amin'i Helday sy Tobia ary Jedaia, eny, mandehana amin'izany andro izany ihany ianao, ka midìra ao an-tranon'i Josia, zanak'i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany Babylona izy,
11 eny, mandraisa volafotsy sy volamena, ka ataovy satro-boninahitra, dia apetraho eo an-dohan'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe;
12 dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana; ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy sady hanao ny tempolin'i Jehovah.