4 Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany.
5 Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy.
6 Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia aoka hohetezana izy; fa raha mahamenatra ny vehivavy ny hohetezana na ny hoharatana, dia aoka hisaron-doha izy.
7 Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr'Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy.
8 Fa tsy ny vehivavy no nihavian'ny lehilahy; fa ny lehilahy no nihavian'ny vehivavy.
9 Fa tsy ny lehilahy no natao ho an'ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an'ny lehilahy.
10 Izany no mahamety ny vehivavy hisaron-doha noho ny amin'ny anjely.