9 Fa tsy ny lehilahy no natao ho an'ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an'ny lehilahy.
10 Izany no mahamety ny vehivavy hisaron-doha noho ny amin'ny anjely.
11 Kanefa ao amin'ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.
12 Fa toy ny nihavian'ny vehivavy avy tamin'ny lehilahy, dia toy izany koa no nihavian'ny lehilahy avy tamin'ny vehivavy; fa Andriamanitra kosa no ihavian'ny zavatra rehetra.
13 Hevero ao am-ponareo: Mendrika va raha mivavaka amin'Andriamanitra ka tsy misaron-doha ny vehivavy?
14 Tsy mampianatra anareo va izao fomban'ny zavatra rehetra izao fa raha lava volo ny lehilahy, dia mahafa-boninahitra azy izany?
15 Fa raha lava volo kosa ny vehivavy, dia voninahitra ho azy izany fa ny volo no nomena azy ho fisaronana.