8 Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza.
9 Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita
10 sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.
11 Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika.
12 Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.
13 Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo ho an'ny hanina; nefa samy holevonin'Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo; ary ny Tompo ho an'ny tena.
14 Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin'ny heriny.