6 Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin'izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an'i Kristy Jesosy, tezaina amin'ny tenin'ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao.
7 Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra.
8 Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.
9 Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra.
10 Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an'Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.
11 Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro.
12 Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana.