3 Ary mahalala ilay olona anankiray aho - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala -
4 fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona.
5 Ilay anankiray no hataoko rehareha; fa ny amin'ny tenako dia tsy hirehareha aho afa-tsy amin'ny fahalemena ihany.
6 Fa na dia te-hirehareha aza aho, dia tsy ho adala, fa hilaza ny marina; nefa tsy manao izany aho, fandrao misy olona mihevitra ahy ho mihoatra noho izay ahitany ahy na izay andrenesany ny teniko.
7 Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin'ny nofo, dia irak'i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.
8 Izany no nangatahako intelo tamin'ny Tompo, mba hialan'izany amiko.
9 Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko.