1 Simona Petera, mpanompo sy Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay amin'ny fahamarinan'i Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy:
2 hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.
3 Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany;
4 ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna;
5 koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,
6 ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra,