1 Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo:
2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
3 Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra,
4 ka reharehan'ny tenanay ianareo eny amin'ny fiangonan'Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin'ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo-
5 famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra izany - mba hatao ho miendrika ny fanjakan'Andriamanitra ianareo, sady izany koa no iaretanareo