7 Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna. kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany.
8 Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany;
9 ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra
10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.
11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.
13 Fa izahay tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan'ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin'ny voalohany hahazo famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina,