1 Rehefa afaka izany, dia hitako fa indro, nisy anjely izay koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany nohazavain'ny voninahiny.
2 Ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren'ny fanahy maloto rehetra ary akanin'ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina.
3 Fa tamin'ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan'ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan'ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpandranto amin'ny tany tonga mpanankarena noho ny hafatratry ny nitiavan'io ny zava-mahafinaritra ny tena.
4 Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.
5 Fa ny fahotany efa nitehika tamin'ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony.
6 Mamalia azy araka izay nataony, ka omeo azy indroa heny toy ny nataony izy; ny kapoaka izay nofenoiny, dia fenoy indroa heny ho azy.
7 Toraka itsy niderany tena sy nivelomany tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka izany koa izy, satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho mpanjakavavy aho, fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho;