1 Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin'ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin'ny feo mafy hoe: Iza no miendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?
3 Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy.
4 Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy.
5 Ary ny anankiray tamin'ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin'ny firenen'i Joda, dia ny Solofon'i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.
6 Ary hitako fa, indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina efatra ary teo afovoan'ny loholona dia nisy Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina hankany amin'ny tany rehetra.
7 Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.