37 dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra teo aorian'ny batisa izay notorin'i Jaona, dia ny amin'i Jesosy avy any Nazareta,
38 Izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.
39 Ary izahay no vavolombelon'ny zavatra rehetra izay nataony tany amin'ny tanin'ny Jiosy sy tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin'ny hazo;
40 nefa natsangan'Andriamanitra kosa Izy tamin'ny andro fahatelo ka nasehony marimarina,
41 tsy tamin'ny olona rehetra, fa tamin'ny vavolombelona izay notendren'Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy.
42 Ary Izy nandidy anay hitory amin'ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin'Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.
43 Izy no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka.