3 Ary hoy Paoly taminy: Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa ianao va mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho?
4 Ary izay nitsangana teo dia nanao hoe: Tevatevainao va ny mpisoronaben'Andriamanitra?
5 Ary hoy Paoly: Tsy fantatro fa mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: Aza miteny ratsy ny mpanapaka ny firenenao (Eks. 22. 27).
6 Ary rehefa fantatr'i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin'ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin'ny fanantenana sy ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy.
7 Ary rehefa nilaza izany izy, dia nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka nizara roa toko ny olona maro.
8 Fa ny Sadoseo manao hoe: Tsy misy fitsanganan'ny maty, sady tsy misy anjely na fanahy; fa ny Fariseo kosa manaiky izany avokoa.
9 Ary nisy antsoantso maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan'ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok'io lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy.