10 sady nataoko tany Jerosalema izany, ka maro ny olona masina no nohidiako tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana tamin'ny lohan'ny mpisorona aho; ary raha hovonoina ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho.
11 Ary nampijaly azy matetika teo amin'ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria very saina tamin'ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin'ny tanàna any ivelany koa aza.
12 Ary tamin'izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin'ny lohan'ny mpisorona,
13 koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin'izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro.
14 Ary rehefa lavo tamin'ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin'ny teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana.
15 Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao.
16 Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao,