28 dia nody izy ka nipetraka teo anatin'ny kalesiny ary namaky teny tao amin'Isaia mpaminany
29 Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io.
30 Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao?
31 Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? Ary izy nangataka an'i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy.
32 Ary izao no tenin'ny Soratra Masina novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak'ondry moana eo anoloan'ny mpanety azy;
33 Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany (Isa. 53. 7, 8).
34 Ary ilay tandapa namaly an'i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?