9 (Ary ny amin'ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina ho any ambanin'ny tany koa?
10 Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)
11 Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
12 ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy,
13 mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy;
14 mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;
15 fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy;