1 Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik'izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin'izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.
2 Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian'ny fieritreretany ny ota intsony izy?
3 Fa amin'ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.
4 Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy.