3 satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
4 Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.
5 Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.
6 Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.
7 Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany:
8 olona miroa saina izy, miovaova amin'ny alehany rehetra.
9 Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;