8 Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo.
9 Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan'ny varavarana.
10 Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.
11 Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba ary efa hitanareo ny faran'ny nataon'ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po.
12 Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho "Eny", ary ny fandànareo ho "Tsia", fandrao hiharan'ny fitsarana ianareo.
13 Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.
14 Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon'ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy;