44 Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.
45 Ary maro tamin'ny Jiosy, dia ireo nankeo amin'i Maria ka nahita ny zavatra nataon'i Jesosy ireo, no nino Azy.
46 Fa ny sasany tamin'ireo kosa dia lasa nankany amin'ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.
47 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro.
48 Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.
49 Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin'izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona,
50 na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity.