17 Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an'i Lazarosy hivoaka tamin'ny fasana ka nanangana azy tamin'ny maty.
18 Ary izany koa no nitsenan'ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy.
19 Ary tamin'izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.
20 Ary nisy Grika sasany tamin'izay niakatra hivavaka tamin'ny andro firavoravoana,
21 ary izy ireo nankany amin'i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy ka nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an'i Jesosy izahay.
22 Dia lasa Filipo nilaza tamin'i Andrea; ary Andrea sy Filipo lasa nilaza tamin'i Jesosy.
23 Ary Jesosy namaly azy hoe: Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak'olona.