32 Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ny anankiray koa izay niaraka nohomboana tamin'i Jesosy tamin'ny hazo fijaliana.
33 Fa nony nankeo amin'i Jesosy izy, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony.
34 Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin'izay dia nisy rà sy rano nandeha.
35 Ary ilay nahita dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany; ary fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.
36 Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany (Eks. 12. 46; Sal. 34. 20).
37 Ary hoy koa ny teny iray ao amin'ny Soratra Masina: Hijery Izay nolefoniny izy (Zak. 12. 10).
38 Ary rehefa afaka izany, Josefa avy any Arimatia (mpianatr'i Jesosy izy, nefa tamin'ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy) dia nangataka tamin'i Pilato, mba hahazoany manaisotra ny fatin'i Jesosy. Ary nanaiky Pilato. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin'i Jesosy.