18 Ary amin'izany ny Jiosy tsy nino azy ho efa jamba ka nahiratra, ambara-piantsony ny ray aman-drenin'ilay nahiratra
19 ka nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay lazainareo fa teraka jamba? Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao?
20 Ny ray aman-dreniny namaly ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;
21 fa tsy fantatray izay nahiratany izao; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin'ny tenany.
22 Izany teny izany no nolazain'ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala amin'ny synagoga.
23 Izany no nilazan'ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, koa izy no anontanio.
24 Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany.