7 izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo.
8 Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo.
9 Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin'ny asany;
10 ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'izay nahary azy.
11 Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra.
12 Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.
13 Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.