6 Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany.
7 Ary mitoera ao amin'izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay zavatra omeny; fa ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany. Aza mifindrafindra trano.
8 Ary izay tanàna iakaranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay zavatra aroso eo anoloanareo.
9 Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.
10 Fa izay tanàna iakaranareo, ka tsy mandray anareo kosa ny olona, dia mankanesa eo amin'ny lalambe, ka lazao hoe:
11 Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin'ny tongotray, dia fafànay hiampanga anareo; nefa aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.
12 Lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Sodoma amin'izany andro izany noho ny ho amin'izany tanàna izany.