26 Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan'ny olona izany teny izany sady gaga izy noho ny famaliny ka nangina.
27 Ary ny sasany tamin'ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe:
28 Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).
29 Koa nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
30 Ary ny faharoa
31 sy ny fahatelo koa nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon'izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy.
32 Ary farany dia maty koa ravehivavy.