39 Ary ny anankiray tamin'ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay.
40 Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?
41 Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin'ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.
42 Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao.
43 Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.
44 Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy izany,
45 satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin'ny tempoly.