11 Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an'i Jesosy.
12 Ary raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
13 Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. ry ny habokany niala taminy niaraka tamin'izay.
14 Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo.
15 Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin'ny aretiny.
16 Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an-efitra ka nivavaka.
17 Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin'ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin'ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany.