11 Dia safotry ny hatezerana izy ireo ka nioko ny amin'izay hanaovany an'i Jesosy.
12 Ary tamin'izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin'Andriamanitra nandritra ny alina Izy.
13 Ary nony maraina ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin'ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly,
14 dia Simona, izay nataony hoe koa Petera, sy Andrea rahalahiny, sy Jakoba sy Jaona sy Filipo sy Bartelemeo
15 sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Simona, izay atao hoe Zelota,
16 sy Jodasy, zanak'i Jakoba, ary Jodasy Iskariota, izay tonga namadika.
17 Ary Jesosy niara-nidina tamin'ireo, dia nijanona teo an-kamarenana Izy sy ny mpianany maro mbamin'ny vahoaka betsaka avy tany Jodia rehetra sy Jerosalema, ary avy tany amoron-dranomasina any Tyro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin'ny aretiny;