26 Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahiny sy ny an'ny Rainy ary ny an'ny anjely masina.
27 Fa lazaiko aminareo tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra.
28 Ary rehefa tokony ho havaloana taorian'izany teny izany, dia nitondra an'i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.
29 Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra.
30 Ary, indreo, nisy roa lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia,
31 izay niseho tamin-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any Jerosalema.
32 Ary efa navesatry ny tory ny mason'i Petera sy ny namany; nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr'i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.